Nisy atrikasa nifampizarana ny fivoaran’ny asa vitan’ny tetikasa «Jumelage Frantsay-Italiana-Malagasy», ny 12 septambra teo, nandritra ny Foaran’ny famokarana (FIA), andiany fahenina teny amin’ny Parc expos Forello Tanjombato. Miahy azy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), vatsian’ny Vondrona eoropeanina (UE) vola. Misy sokajin’asa 5 lehibe anatiny, hanatrarana ny tanjona, ny fanatsarana ny kalitaon’ny vokatra mba tsy hisian’ny sakana any amin’ny firenena hanondranana azy. Eo koa ny fifanakalozana mahakasika ny fitantanan-draharaha eo amin’ireo firenena telo ireo, tafiditra ao anatin’ny UE, sady efa manana traikefa amin’ny fenitra ara-pahadiovana sy ara-pahasalamana (SPS).
Manan-danja tokoa ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana eto Madagasikara. Hampiakatra ny kalitaon’ny vokatry ny fambolena sy fiompiana eto ity tetikasa iarahan’ ny telo tonta ity. Hampiakatra ny fidiram-bolan’ny mpamokatra amin’ireo sehatra ireo. Tanjon’ny Minae ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny fidirana amin’ny fanondranana vokatra ara-tsakafo sy ara-pambolena toy ny lavanila sy ny jirofo, izay efa fanaon’i Madagasikara.
Njaka A.