Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Produir ny fanadiovana ny lakandrano C3. Ho vita amin’ny mai 2025 ny asa.
Mirefy 12 km ny lakandrano C3. Miainga eny amin’ny honahona Anosibe, Andavamamba, 67 ha, Antohomadinika, hatrany amin’ny toby fitantanana ny fivoahan’ny rano eny Ambodimita. Manatanteraka ny Tetikasa fampandrosoana ny tanàn-dehibe sy fiatrehana ny voina eto Antananarivo (Produir) ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana (MDAT), vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola. Natomboka, omaly, ny asa fanavaozana sy fanadiovana ary ny fanalana ny fotaka.
Nambaran’ny minisitra MDAT, Andriantsitohaina Naina, fa laharam-pahamehana ny fiarovana ny mponina, ary maro ny fotodrafitrasa efa nataon’ny Produir. Hipaka maharitra amin’ny lemak’Antananarivo ny fanadiovana ny lakandrano C3.
Nohamafisin’ny Filohan’ny delegasiona Antananarivo (PDS), Ramanantsoa Harilala, fa asa vonjy taitra tsy maintsy hatao ny fanalana ny fotaka amin’ny C3. Satria hiarovana amin’ny tondradrano. Hiaro maharitra ny mponina izany hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro.
Nanazava ny mpandrindra ny Produir, Rasolofojaona Haja, fa tanjona ny hanarenana ny C3, hanana endrika maha tanàn-dehibe. Tombontsoa ho an’Antananarivo sy i Madagasikara ny fahombiazan’ny asa hatao.
Fotaka 15 000 m3
Havaozina tanteraka ny lakandrano C3, ka ho vita tanteraka amin’ny mai 2025. Hasiana rarivato ny sisiny, hoesorina daholo ny fotaka, tombanana hatrany amin’ny 15 000 m3 ary hafindra any amin’ny toerana manokana eny Iarinarivo rehefa maina. Hisy lalana atokana ho an’ny mpandeha an-tongotra sy ny kodiaran-droa. Hamboarina ny fitobian-drano eny Anosibe sy Andavamamba ary ny fifandraisana amin’ny lakandrano Andriantany, sns. Tsiahivina fa efa vitan’ny Produir ny fanamafisana ny sisin’ny reniranon’Ikopa sy Sisaony.
Njaka Andriantefiarinesy