307 000 taonina isan-taona ny filana trondro eto Madagasika saingy mbola tsy mihoatra ny 142 000 taonina ny vokatra azontsika. Manome tohana ho fampakarana ny vokatra ny minisitera amin’ny alalan’ny fampiofanana sy fanampiana ny akora ilaina ka nampitombo ny isan’ny mpiompy trondro ho 30 800.
Haingam-pitombo sy mora lehibe ireo karazan’omby Montbéliard nampirantiana nandritra ny hetsika FIA farany teo. Mora ahazoana taranaka izy ary tsara ho an’ireo mpanodim-bokatra ny kalitaon’ny ronono azo avy aminy. Mitaky sakafo tsara sy betska, fotodrafitrasa manara-penitra, mpiompy efa matihanina sy nahazo fiofanana ary fanjohina ara-pahasalamana matetika ny fiompiana ity karazan’ombivavy be ronono avy any Frantsa ity.
Voka-baovao eo amin’ny sehatry ny sakafo ny vovoka ranon’ampango. Mora atao sy ara-pahasalamana tanteraka izy ary vokatra 100% bio. Azo avy amin’ny vary mena nodorana tany amin’ny vilany tanimanga izy ity. Mahasarika ny teratany vahiny sy Malagasy monina any ivelany ny vovoka ranon’ampango.
Mahatratra 60% ny tahan’ny varo-draharaha ao anatin’ny harinkarena faoben’i Madagasikara. Ho alalahana ny varo-draharaha antsika eo anivon’ny kaontinanta Afrikanina. Manampy izany ny sehatry ny fanorenana, ny angovo ary ny tolotra ho an’ny orinasa. . Ho alefa any amin’ny Sadc, Comesa, Zlecaf ny lisitra nahazo fankatoavana.