Izao vao azo lazaina fa tafaverina tanteraka eo amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena i Madagasikara. Tafapetraka ny maha izy azy ilay Malagasy. Tsy mitsahatra misokatra ho antsika ny varavaramben’ilay manontolo lehibe iray antsoina hoe « izao tontolo izao ». Manao ranolava ny fahatongavan’ny masoivoho vahiny. Tsy tambo isaina ny fitsidihan’ny vahiny amin’ny manampahefana.
Zava-dehibe amin’ny hoavin’ny firenena izany. Antoka iray ahafahana mametraka ilay fampandrosoana na fandrosoana nilokalokana tamin’ny fampielezan-kevitra rahateo izany ny volana novambra. Tsy afaka miala amin’ny firenen-kafa ny toekarena sy ny fiainana politikan’i Madagasikara. Azo tsapain-tanana ny ezaka sy ny vokatra azo.
Tsara ny ezaka, saingy manoloana izany dia somary mahavariana ny fizotry ny fiainam-pirenena sy ny vahoaka ato anatiny. Varimbarian’ny lavitra ve sanatria ka tsy mahita ny ambany maso isika mianakavy? Mampiteny ny moana ny fahantrana lalina. Vanim-potoana ahitana taratra izany izao fidiran’ny mpianatra izao. Mbola maro ny sekoly tsy afaka manomboka ny taom-pianarana avy hatrany. Tsy mahavidy fitaovana ny ray aman-dreny.
Manginy fotsiny ny kolikoly eny amin’ny sehatra maro samihafa. Izay toerana rehetra aleha dia handoavam-bola. Tsy azo atao intsony na ny manontany ora amin’ny olona eny an-dalana aza. Tsy maintsy « mametraka kely! ». Sady maharary no mahamenatra ny fomba mamoehatra izay zary fomba amam-panao. Ny ratsy no zary eken’ny benisinimaro ho tsara.
Maro ny zava-miseho eny anivon’ny fiarahamonina no sakana mibaribary tsy ahafahana mandroso. Toa iniana homena vahana mba hanjakan’ny fahalovana, hifehezana izay mbola manam-panahy. Madio ivelany toy ny fasana isika, sanatrian’ny vava razana mandehandeha fotsiny! Tsy afaka ny hiady na hihoatra intsony amin’ny fiainana.
r.r