Nanomboka ny taona 2022 no ho mankaty, 30 ny olona tonga nitily ny VIH/Sida tao amin’ny Centre Hygeina medical. Roa tamin’ireo no nitondra ny tsimokaretina ary efa nalefa eny amin’ny toeram-pandraisana manokana Sisal.
Nanao fitiliana ny tsimokaretina VIH/Sida, omaly, teny anivon’ny toeram-pandraisan’ny Hygeina medical Andraharo, ny mpanao gazety mivondrona ao anatin’ny Remapsen Mada. Hygeina medical, izay fikambanana manao asa soa momba ny fikarakarana ny fananahana ara-pahasalaman’ny tanora sy fanentanana ara-pahasalamana. “Ny mpanao gazety mpizara vaovao momba ny fahasalamana isan’andro dia tokony hijoro ho maodely fa liana amin’ny toe-pahasalamany ka manao fitiliana. Izay mahalala ny toe-pahasalamany no afaka mandray fanapahan-kevitra hitondrany ny tenany”, hoy ny filohan’ny Remapsen Mada, Rakotondratsimba Vonona.
Araka ny fanadihadiana natao teny anivon’ny tanora 15-24 taona, ny taona 2023, mahatratra 64% amin’ny Malagasy, tanora latsaky ny 25 taona avokoa, ary ny 47% latsaky ny 15 taona. Mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida ny 6,09% ( ankizy sy tanora 6 000) amin’ireo eo anelanelan’ny 15-24 taona. “Mampanahy ny zava-misy amin’izao fotoana izao satria nipoaka ny tahan’ny olona mitondra ny tsimokaretina indrindra ny tanora, noho izy ireo maro anisa sy tia andrakandrana”, hoy ny rasazy lehiben’ny toeram-pandraisana Hygeina medical, Rasamiharimalala Volana. Tokony harisika hanao fitiliana izy ireo sy hoentanina hahafantatra ny fomba fifindran’ny tsimokaretina.
Tsy ny firaisana ara-nofo tsy voaro ihany no mamindra ny tsimokaretina fa ny fitaovana nihoson-dra rehetra (hareza, fitaovam-panindromana, fitaovana fanaovana tombokavatsy…). Amin’izao fotoana izao, an-tsitrapo ny fanaovana fitiliana ankoatra ny vehivavy mitondra vohoka manatona tobim-pahasalamana misafo. Isorohana ny famindrana ny tsimokaretina amin’ny zaza ao am-bohoka raha mitondra ny tsimokaretina ilay reniny no anton’ny fitiliana mialoha.
Vonjy