Baolina kitra – «Ligue des champions d’Europe»: nomontsanin’ny Bayern ny Dinamo Zagreb

Notanterahina ny talata lasa teo, nanerana an’i Eo­ropa, ny andro voalohany amin’ny fifanintsanana isam-bondrona hiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra «Ligue des champions 2024». Voahaja ny lojika satria tafavoaka ho mpandresy avokoa ireo ekipa goavana. Anisan’ny nisongadina indrindra ny nanamontsanan’ny Bayern de Munich, tamin’ny isa mavesatra 9 no ho 2, ny Dinamo Zagreb. Nanampatra hery tao an-kianja filalaovany, tao Allianz Arena, ry Raini­boto.
Na izany aza, “penalty” avokoa ny telo tamin’ireo baolina tafiditry ny Bayern. Ani­san’ny nahatafiditra baolina be indrindra i Harry Kane, namono 4. Efa nitarika tamin’ny isa 3 no ho 0 ny Bavarois vao nahafaty baolina ry zareo Zagreb.
Ankoatra izay, resin’ny Real de Madrid, tompondaka farany, tamin’ny isa 3 no ho 1, ny Sttutgart ka anisan’ny nahafaty ny baolina iray ho an-dry zareo Madrilènes, i Mbappé, izay nanokatra ny isa teo amin’ny minitra faha-46. Taorian’io nosahalain’i Undav izany, minitra faha-68 saingy nanampy isa 2 ho azy ny Real, tamin’ny alalan’i Rudiger (83 mn) sy i Endrick (90 + 5). Teo amin’ireo vokatra hafa, Liverpool nandavo ny AC Milan, 3 no ho 1. Sporting nanilika an’i Lille, 2 no ho 0. Aston Villa nandresy ny Young Boys Berne, 3 no ho 0, ary Juventus nampiondrika ny Eindhoven, 3 no ho 1.

Tompondaka

Partager sur: