Depiote Imbiki Herilaza: “Tsara ny fanemorana ny firotsahan-kofidina”

Tsara ny fanemorana ny fe-potoana farany fametrahana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina, raha ny faneho­an-kevitry ny depiote voafidy tany Sainte Marie tamin’ny anaran’ny Irmar, Imbiki Herila­za, omaly, manoloana ny hiafaran’izany eny anivon’ny Ovec, anio. Nohalavaina hatramin’ny 26 septambra izany, araka ny tolo-kevitry ny Ceni. Ny vahoaka no tokony hahay ny olona hofidiny amin’ny fifidianana manakaiky azy. Aleo hitovy tantana ny kandidà ny olona rehetra: mba hanan-jo hirotsa-kofidina avokoa ny Ma­lagasy rehetra mahafeno fepetra. Zava-dehibe ny fifidianana kaominaly sy monisipaly. Amin’ny fisafidianana izay ho kandidà: misy kandidà mahaleo tena, izay tsy voatery ho mpanohitra. Tsy mahazo fa­nen­drena avy amin’ny antoko na vondrona izy, nefa te ha­nompo ny kaominina misy azy. Misy koa ny kandidà ao anatina vondrona na antoko politika. Ny zava-dehibe ary araka ny hetahetan’ny vahoaka malagasy dia miainga avy any aminy izay atao kandidà: zatra mifanosina aminy, mahafantatra ny maharary azy, efa zatra manampy vahoaka sy manao asa sosialy.

R. Nd.

Partager sur: