Nisokatra ny tranon’atidohany sady norasarasaina antsy ny lehilahy iray tao Morombe, afakomaly. Disadisam-piarahamonina no nitarika ny vono olona.
Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray, novonoin’ ny mpiara-monina taminy tao Antsirovitry, fokontany Ampasilava, kaominina Basibasy, distrika Morombe, afakomaly. Nisy tsy fifankahazoana teo amin’io lehilahy io sy ny mpiray monina taminy maromaro. Raikitra ady ka nitambaran’ireo efa-dahy izy. Namoaka antsy ny iray ka tsy nisalasala nikapakapa ny faritry ny lohan’io lehilahy io. Nisokatra ny tranon’atidohan’ilay lasibatra. Voakapa tao amin’ny hatony koa izy ka nandriaka ny ra. Nentina nihazo ny CSBII Basibasy ilay lehilahy saingy tsy tana intsony ny ainy. Nidina tao an-toerana nanao fanadihadiana momba ity vono olona mahatsiravina ity ny zandarimaria, natrehin’ny sefo fokontany.
Ady tany
Tamin’ny alalan’ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana, fantatra fa ady tany sy halatra tongolo no niantombohan’izao fifamonoana izao. Samy nanararaotra nanampatra ny heriny tamin’ilay lehilahy lasibatra avokoa ireo efa-dahy voalazan’ny fokonolona nanatri-maso. Nitsoaka nandositra avokoa ireo nahavanon-doza taorian’ity tranga ity. Na izany aza, azon’ny zandary avokoa ny anaran’izy efa-dahy sy ny toeram-ponenan’izy ireo. Miroso amin’ny fikarohana sy ny fanaovana ny famotorana lalina momba ity raharaha ity ireto farany.
Tsiferana R.