Tsy manan-kialofana vokatry ny haintrano ny olona maherin’ny 100, ao amin’ny fokontany Ambalamarina, kaominina Andina, distrika Ambositra, ny faran’ny herinandro teo. Nisehoana fahamaizana niteraka fahasimban’ny trano miisa 11 tafo tao amin’ny tanànan’i Sahasaorina. Nandoro fako tsy lavitra ireo trano ireo ny iray tamin’ny mponina ao an-toerana. Nandadizan’ny afo tampoka anefa ny tafo ka nitarika ny fahamaizana. Nahery rahateo ny rivotra ka rotiky ny afo minitra vitsy ny trano rehetra. Tsy nahatafavoaka na inona na inona tao anatin’ny tokantranony tsirairay avy intsony ireo lasibatra. May avokoa ny entana rehetra niampy ny fitaovan’ny mpianatra. Nidina ifotony nanome tanana ireo tra-boina ny tomponandraikitry ny kaominina ao an-toerana. Hisy ny fanarenana ny tranon’ireo ankohonana niharan-doza ireo. Miantso ny fitondram-panajakana hijery ifotony azy ireo ny mponina lasibatry ny haintrano ao Ambalamarina.
Tsiferana R.