Faly mifanambaka

 

Natao ihany ny hangina manoloana ny fizotry ny andavanandron-dRamalagasy fa tsy maintsy miteny. Arakaraka ny nivoizana sy nametrahana minisitera mpiahy ny Firai­sankina no mainka manao valala an-karona ny mpiray tanàna sy ny mpianakavy. Mahakivy ny mahita ny zava-mitranga any anaty fiarahamonina rehetra any.
Mahazo vahana ny mpihavana, na ny mpiray tampo aza, mifampitory eny amin’ny Fitsarana. Miady tsy hay alamina. Tsy manana fandeferana fa samy manenjana ho tompon’ny hery sy fahefana. Zava-doza no mitranga raha mba misy manamanam-bola. Samy manangana ny vondrona misy azy ny mitovitovy fari-piainana. Manao tsindrio fa lavo izay mba misongandingadina. Zary misara-bazana!
Hatreto, tsy hita izay asa mivaingana amin’ny resaka Firaisankina, nomena rafitra ho mpitantana ity. Tsy hita mivaingana ny asan’ireo minisitera nomena anjara andraikitra mahakasika izany, iray volana aty aorian’ny fanen­drena azy. Mbola misy ny tarazon’ny « werawera » tsy maintsy mandeha fotsiny. Adino fa fiarahamonina marary sy sahirana no novantanin’izy ireny. Manana adidy goavana hanatsara ny fiainan’ny vahoaka malagasy ny manampahefana, na inona na inona lazaina.
Ilay fanovana toe-tsaina, miainga avy any ambony no takin’ny filan’ny Malagasy tsivakivolo, ankehitriny. Avy any ambony no fakana ohatra, ho an’ny vahoaka tsy mandady harona. Zary mahazatra ny fifanambakan’ny samy Malagasy, amin’izao fotoana izao. Ny mpitondra sasany mitsentsitra ny azo tsentsafina. Ny mpanao tsindrihazo­lena, manao izay danin’ny kibony.
Any anatin’ny vahoaka any dia manao izay hifamele­zana ny mpifanolobodirindrina. Mitady hirika ny hifamotehana sy hifanambakana tsotra izao ny mpiray tanàna.
Mila fahatsapan-tena sy fiovana maika! Tsisy fandrosoana anaty fisamatsamahana izany!

r.r

Partager sur: