Fampianarana, zavakanto sy haisoratra : nodimandry ny Pr. Serge Henri Rodin, na i Korb

Very olobe iray ny tontolon’ny fampianarana ambony, ny hiasoratra, ny zavakanto ary ny kolontsaina. Nodimandry mantsy ny profesora Serge Henri Rodin.

Andro manjombona in­dray… Nampahafan­tatra ireo akaiky azy fa nodimandry ny alin’ny talata hifohy alarobia teo ny profe­sora Serge Henri Rodin. Mi­saona, araka izany, ny tonto­lon’ny fampianarana ambony, ny kolontsaina, ny zavakanto ary ny haisoratra. Tsy naheno azy tsy salama na ireo mpianany na ireo mpiara-miasa aminy amin’ny sehatra maro, satria olona “tia miaina” sady “tanora lalandava” izay i Serge Henri Rodin. Mbola avy nanatontosa asa tany Antsirabe rahateo izy nialoha izao, raha ny fitantaran’ireo akaiky azy.
Niraradraraka ny fanomezam-boninahitra, ny fahatsiarovana fa indrindra ny fisao­rana ho an’ity oloben’ny zavakanto sy ny kolontsaina ity. Analiny mihitsy, ka ny ankamaroan’ireo dia mpianatra nanovo fahalalana taminy. Fitantaran’ny profesora Serge Henri Rodin matetika amin’ ireo mpianany, fa anisan’ireo mbola kely taona dia nampianatra teny amin’ny Oniversi­ten’Antananarivo, ao amin’ny Fakiolten’ny teny sy ny hai­soratra ary ny siansa maha olona izy. Nandalo taminy avokoa rehefa mpianatra nanda­lina literatiora, zavakanto sy ny tantarany, kolontsaina, serasera, sns, indrindra ireo tao amin’ny sampam-pampianarana Frantsay, Malagasy, Tantara, Serasera.
Lafiny iray nahafantarana azy koa ny mozika. Korb ny anarana nentiny, na dia tsy fantatry ny maro aza. Hita an-tsehatra nandritra ny andiany maro tamin’ny « Madajazz­car », satria sady mpamoron-kira no niangaly zavamaneno maromaro ihany koa izy. Niaro ny asa famoronana mozika, nandrisika ireo tanora ary niezaka nitondra famakafakana momba ireny hatrany izy. Hainy tsara ny manohana ny mozika ankehitriny, ary nipetraka ho mpitsikera manam-bahaolana hatrany i Serge Henri Rodin.
Tsy ho voatanisa raha ny andraikitra efa notanany rehetra. Ankoatra ny maha tom­ponandraikitra voalohany sy nanangana ny sampam-pianarana “Mediation culturelle” azy, nisongadina koa izy amin’ ny maha mpikambana maharitra ao amin’ny Akademiam-pirenena azy. Anisan’ny boky nosoratany ny « Organisation du sens dans la Parole poétique malgache : A propos du hainteny » sy ny « Caprice-de-la-lune ».

Zo ny Aina

Partager sur: