Fanafihana olona mitondra vola : ahina ho mpiray tendro ny mpiasan’ny banky

Misesisesy tato ho ato ny trangana fanafihana mitam-piadiana ireo olona avy maka vola ao amin’ny banky ao Toa­masina. Ny alatsinainy 16 septambra 2024 teo, tovolahy iray avy naka vola tamina banky iray ao Toamasina no lasibatry ny jiolahy tao Bazarikely akaikin’ny toerana fivarotana kapa. Lasan’ireo mpanafika tamin’izany ny vola 16 tapitrisa Ar tanaty sakaosy. Araka ny fanazavan’ireo olona nanatri-maso, nandeha moto Cygnus ireo jiolahy mpanafika. Nandeha posy bisikileta kosa ilay lehilahy nitondra vola vao avy nalaina tamin’ ny banky. Nobahanan’ireo jiolahy ny posy nandehanany sady nambanana basy. Naharitra teo amin’ny roa minitra ny faharetan’ny fanafihana. Toy izany koa no nahazo ny renim-pianakaviana iray avy ao Toamasina, fa monina any ivelany, ny volana jona lasa teo, lasibatry ny jiolahy koa izy rehefa avy naka vola tao amin’ny banky. Narahin’ireo roa lahy nandeha moto avy ao aoriana izy. Ireo jiolahy no tonga mialoha teo am-bavahadiny. Voaroban’ireo olona ny vola 10 tapitrisa Ar. Ireo mpiasan’ny banky mianadahy vao avy nakany vola no ahiahiny ho mpiray tsikombakomba amin’ireo jiolahy. Mite­raka resabe ao Toamasina indray ity ahiahy momba ny fisian’ ireo mpiasan’ny banky sasany miray tendro amin’ny jiolahy ity.

Sajo/J.C

Partager sur: