fanapahan’ny ovec: nohamafisin’ny Ceni

Nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety teny amin’ny foibe toerany, teny Alarobia, ny avy eo anivon’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), omaly. Ny mahakasika ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina no noresahiny tamin’izany. Anisan’ny nisongadina ny fanamafisan’ny Ceni ny fanapahan-kevitry ny Ovec mahakasika ny fandavan’ity rantsamangaikan’ny Ceni ity ny antotan-taratasy filatsahan-kofidin’ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, ho ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra.
Maro ny niandry io fanapahan-kevitry ny Ceni, mahakasika ny filatsahan-dRavalomanana Marc hofidina eto an-dRenivohitra, io. “Niantso avy hatrany ny Foiben’ny hetra izahay mba ahazoana fanampim-panazavana misimisy kokoa, vantany vao tonga teto aminay ilay taratasy avy amin’ny Ovec”, hoy Andrianarisedo Dama, filohan’ny Ceni. Notsindrin’ny avy eo anivon’ny Ceni fa afaka mamerina mametraka ny antotan-taratasy filatsahan-kofidiany ny filoha teo aloha, rehefa mahazo izay taratasy fanamarinana fandoavan-ketra izay.

Lin

Partager sur: