Fitaterana : handray mpiasa malagasy ny Emirates

Anisan’ny matanjaka indrindra maneran-tany ny kaompania Emirates. Handray mpiasa malagasy ity orinasa ity, ankehitriny, eto Antananarivo, amin’izao fisokafan’ny zotra mivantana Dubaï-Antananarivo, mandalo atsy Mahé Seychelles izao. Andraikitra hosahanina ny fifandraisana sy ny fikarakarana ny mpandeha anaty fiaramanidina sy ny an-tanety. Hiasa any Dubaï ny olona ho voaray, aorian’ny fiofanana mandritra ny 7 volana sy tapany.
Azo atao ny misoratra anarana ao amin’ny adiresy tranokala http://www.emiratesgrupecareers.com/cabincrew, mialoha ny 23 septambra, ho an’ireo hiasa anaty fiaramanidina. Misoratra anarana ao amin’ny http://www.emiratesgroupcareers.com/search-and-apply/375305 kosa ireo maniry hikarakara sy handray ny mpanjifa, izay hatao ny 24 septambra ho avy izao.
Anisan’ny mampiavaka ny mpiasan’ny Emirates ny fampiasana teratany 140 karazana, mampiasa tenim- pirenena 70 mahery, mahay mandray sy manaja olona, sns. Misy ny tombontsoa manokana omena an’izay mpiasa voaray.

Njaka A.

Partager sur: