Fivoriamben’ny Firenena mikambana: hisongadina ny fampanjakana ny fandriampahalemana

Anisan’ny mandray anjara amin’ny fivoriamben’ny Fire­nena mikambana (AGNU), andiany faha-79, atao any New York, i Madagasikara, amin’ny alalan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika. Ity AGNU ity izay hotanterahina ny 22 ka hatramin’ny 27 septambra 2024 ho avy izao. “Fiom­bonana ao anatin’ny fahasamihafana, ho an’ny fandriampahalemana tsaratsara kokoa, fampandrosoana lovain-jafy ary fampanjakana ny maha olona na aiza na aiza ary amin’ny fotoana rehetra”. Io no lohahevitra mandritra ny fivoariamben’ny Firenena mikambana andiany faha-79.
Fotoan-dehibe hihaonana sy hifanakalozan’ireo firenena 193, mpikambana ao anatin’ny ONU, ny AGNU. Mandritra izany no handraisana fanapahan-kevitra, amin’ny fametrahana ny fitsipiky ny lalàna iraisam-pirenena. Amin’ity andiany ity, lohahevitra dinihina mandritra ny adihevitra ny hoe “Aza misy ahilika: miara-mientana ho amin’ny fandriampahalemana, fampandrosoana maharitra ary fampanjakana ny maha olona ho an’ny taranaka ankehitriny sy ny ho avy”. Ankoatra izay, anisan’ny hodinihina ihany koa ny mahakasika ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny fahapotehan’ny tontolo iainana.
Marihina fa anisan’ireo firenena 21, filoha lefitra mandrafitra ity AGNU ity i Madagasikara. Ny nahavoafidy antsika amin’izany toerana izany dia mametraka ny firenena malagasy ho tomponandraikitra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Lin

Partager sur: