Madagasikara-Vondrona eoropeanina : manomboka pejy vaovao!

Mandray fiaingana vaovao ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeanina. Noraisin’ny filoha Rajoelina Andry, omaly, ny ambasadaoro Roland Kobia.

Misy ny fahavononana hametraka pejy vaovao indray eo amin’ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy ny Vondrona eoropeanina (UE), araka ny nambaran’ny ambasadaoro vaovaony, i Roland Kobia, teny Iavoloha, omaly, taorian’ny fanolorana ny taratasy fanendrena azy sy ny fihaonany tamin’ny filoha Rajoelina Andry. Marolafy no nifampiresahana eo amin’ny sehatry ny fiaraha-miasa. Mandray anjara amin’ny dinika politika atao eto Madagasikara ny UE. Eo koa ny sehatry ny fampandrosoana amin’izay laharam-pahamehana: famatsian-drano, fitaterana amin’ny fanamboarana sy fanarenana lalana, ny angovo sy ny famatsiana herinaratra amin’ny fanampiana ny Jirama. Laharam-pahamehana koa ny sehatry ny fambolena… Zava-dehibe ny fandrisihana ny sehatra tsy miankina hampitombo ny fandraisana anjaran’izy ireo amin’ny fampandrosoana sy ny fanetsehana ny fampiasam-bola amin’ny famoronana asa sy ny fampakarana ny fiharian-karena. Hanao ny ezaka rehetra hahamafy orina ny fifandraisana eo amin’ny UE sy i Madagasikara amin’izay dingana vaovao izay izy. Noresahiny tamin’ny filoha malagasy koa ny amin’ny famosirana izay tratra manolana zaza tsy ampy taona: zava-dehibe ny fahaiza-mihaino sy mamantatra ny anton’ny zava-misy ary ny fanapahan-kevitra.
Nanolotra ny taratasy fanendrena azy koa ny ambasadaoron’i Royaume-Uni, i Martin Lynch. Voaresaka ny tanjona iombonana amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny fahasalamana, fanabeazana, asa marolafy amin’ny fampandrosoana ny toekarena, ny fiaraha-miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro… Vonona hanampy amin’ireo tetikasa marolafy efa nataony ry zareo.

R. Nd.

Partager sur: