MPITSABO AVY ANY TURQUIE : nandray marary 200

Noraisin’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Pr Randriamanantany Zely, ny masoivohon’i Turquie, Ishak Ebrar Çubukçu, omaly. Misokatra sy mivelatra amin’ny firenena maro ny fanatsarana ny rafi-pahasalamana eto Madagasikara ary anisany miara-miasa amin’izany i Turquie.
Raha tsiahivina dia mpitsabo avy any Turquie no tonga nifanome tanana tamin’ireo mpitsabo tao amin’ny hopitaly Andohatapenaka nandritra ny fotoana maro nijery manokana ny fahasalaman’ny ativava, ny orona sy ny sofina.
Olona maherin’ny 200 no nisitraka ny fitsaboana nandritra ny fotoana niasan’izy ireo. Ankoatr’izay, nampiofana ireo mpitsabo misehatra amin’ny ativava sy ny sofina tao amin’ny hopitaly Andohatapenaka ihany koa izy ireo. Nifanindran-dalana tamin’ny faha-10 taona nisokafan’ny hopitaly rahateo ny fahatongavan’ireto dokotera nitondra ny fahaizany tao an-toerana ireto.
Zava-dehibe ny fiaraha-miasa toy izao ary nodinihina tamin’ny fihaonana ny mety ho fitohizan’izany, hahafahana manome tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao ho an’ny vahoaka malagasy.

Tatiana A

Partager sur: