SOMBIM-BAOVAO

Nanomboka omaly, ary haharitra hatramin’ny alahady 22 septambra izao, eny amin’ny Complexe sportif Vontovorona ny fiofanana ho an’ireo mpitsara amin’ny baolina kitra lalaovina anaty efitrano (futsal). Mitarika izany i Said Nourri, manam-pahaizana avy amin’ny Fifa. Miisa 30 mianadahy ireo mpiofana ka misy ny avy any amin’ny faritra.

Tsara fanombohana ny FCA Ilakaka sy ny FC Avenir Anosy, teo amin’ny andro voalohan’ny “Poule des As”, omaly. Tetsy amin’ny kianja Elgeco Plus, resin’ny FCA, tamin’ny isa 1 no ho 0, ny AS Fos Analanjirofo. Teny Ambohidratrimo, lavon’ny FC Avenir, 3 no ho 2, ny FC Theo Sava.

Hatao ny 21 hatramin’ny 29 septambra izao, eto Antananarivo, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy 1ère Division, taranja volley-ball. Ny sokajy lahy sy vavy no hifaninana amin’ity, ka hotanterahina ny zoma 20 septambra ho avy izao ny fivoriana ara-teknika sy ny fizaram-bondrona.

Hitohy ny sabotsy 21 sy 22 septambra izao ny fifaninanana “Fety de Baskety e!” karakarain’ny AT2B. Kianja 3 no handray ny lalao mandritra io roa andro io, dia ny eny amin’ny kianja basikety eny Andraisoro, ny kianjam-pokontany Amboditsiry ary ny kianja basikety eny amin’ny CEG Nanisana.

Partager sur: