TARATRY ny KANTO

Nainako, etsy amin’ny No Comment Bar Iso­raka. Hitondra ny mozika nentim-paharazana nasiam-panavaozana, avy any amin’iny tapany atsimo iny ry zalahy, anio manomboka amin’ny 8 ora alina. Andran-tsira sahady, satria anisan’ireo tarika voafidy handray anjara amin’ny “Angaredona Mozika Festival” ihany koa ry Nainako.

Hotanterahina etsy amin’ny Karibotel Ana­lakely, ny “Soirée hommage Kelly Rajerison”. Fotoana hamerenana indray ireo tsiahy momba ity mpanakanto mpamoron-kira sady mpihira no mpi­tendry gitara manana ny maha izy azy ity. Tsiahy hotontosaina ny zoma 4 oktobra manomboka amin’ny 8 ora alina. Kelly Rajerison, manana feo manintona sy nahavita nandrindra izany tamin’ny zavamaneno notendreny.

Hizara ny traikefa sy fahaiza-manaony, anio, eny amin’ny Aft Andavamamba, i Maryam Amira. Izy izay mpanakanto vahiny, misehatra amin’ny fanaovana hosodoko. Zarainy mandritra ny atrikasa atao anio ireo paikady fampiasany sy ny fototra tokony hananan’ny mpanao hosodoko hahatonga azy ho matihanina sy manaraka ny fenitra.

Nitarika atrikasa momba ny fanoratana teny amin’ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo, i Na Hassi, omaly. Lohahevitra tamin’izany ny hoe “Construire la memoire”. Tao anatin’izany no nampahafantarana ireo niatrika ny atrikasa ny maha zava-dehibe ny fanora­tana, noho izy mitaiza sy manabe.

Partager sur: