Tenisy : hampiantrano ny “ITF World Tennis Tour Juniors J30” ny Malagasy

Handray lalao iraisam-pirenena goavana ny Federasiona malagasin’ny tenisy (FMT). Hatao eto Madagasikara ny “ITF World Tennis Tour Juniors J30”, hifanandrinan’ireo kalaza, lahy sy vavy, eto Afrika.

Hotanterahina eny amin’ny Kianja Club Olym­pique de Tananarive (COT), manomboka ny alatsinainy 23 septambra ho avy izao ny fifaninanana iraisam-pirenena, taranja tenisy, sokajy zandriny Junior. Hatao eny ny “ITF World Tennis Tour Juniors J30”. Hisy dingana roa izany ka ny voalohany hatao ny 23 ka hatramin’ny 29 septambra ho avy izao. Ny faharoa hotontosaina ny 30 septambra ka hatramin’ny 6 oktobra 2024.
Hanana ny lanjany io fihaonana io, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny federasiona satria hahafahan’ireo mpilalao ma­natsara ny laharan’izy ireo eo anivon’ny federasiona iraisam-pirenena (ITF). Ankoatra izay, hahazoana traikefa amin’ny fifanandrinana amin’ireo mpilalao avy any ivelany. Ilaina mantsy ny fihaonana iraisam-pirenena toa izao, izay hita fa lesoka ho an’ireo mpilalao eto Madagasikara noho ny tsy fahafahana miatrika ireo fihaonana any ivelany matetika.
Firenena maro manerana izao tontolo izao no ho avy hanafika eto Madagasikara ka anisan’izany i Corée Atsimo, Inde, Ukraine, Botswana, Bresil, Kenya, Chine, Austra­lie, Etats-Unis ary i Afrika Atsimo. Andrasana ny fihavian-dry zareo magrebianina. Tsiahivina fa mandray ity fifaninanana ity hatrany i Mada­gasikara isan-taona.
Tamin’ny taon-dasa, anisan’ireo niatrika izany i Mirija Andrantefihasina, izay mbola hisolo tena an’i Madagasikara, amin’ity eo amin’ny sokajy lehilahy.
Marihina fa lalao ho an’ olon-tokana sy ho an’olon-droa miaraka ity “ITF World Tennis Tour Juniors J30” ity. Ma­nomboka amin’ny ampaha-32-ndalana ny fihaonana ho an’ny olon-tokana ary ampaha-16-ndalana ny olon-droa. Mivoaka ho mpandresy izay mahazo seta 2 voalohany.

Torcelin

Partager sur: