Tetikasa Afafi Avaratra: nivoatra ny fiharian’ny mpamokatra

Manatanteraka ny fandaharanasa vatsian’ny Tahirim-bola eoropeanina ho an’ny fampandrosoana (Fed) ny Birao tantsoroka ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany (Bace). Mitentina 492 tapitrisa euros ny famatsiam-bola azon’i Madagasikara.

Ao anatin’ny sehatra to­hanan’ny Vondrona eoropanina ny fampandrosoana eny ambanivohitra amin’ny alalan’ny fandaharanasa Rindra. Manatanteraka azy ny Bace, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Toeka­rena sy ny tetibola (Mef). Tan­jona ny hampandrosoana ny eny ambanivohitra, hampiroboroboana maharitra ny famokarana sy hanohanana ny mponina marefo manoloana ny tsy fahampian-tsakafo. Tafi­ditra ao anatin’izany ny fandaharanasa Afafi Avaratra, miasa any amin’ny faritra telo (Sava, Diana, Analanjirofo), miampy ny Afafi Afovoany sy Afafi Atsimo.
Maro ny zava-bita sy mbola mitohy ho an’ny Afafi Avaratra, toy ny asa vonjy taitra, ny fana­renana tohodrano, ny fiaro­vana ny sahandriaka sy fana­tsarana ny famatsian-drano any Sava, ny fanavaozana ny fotodafitrasa (birao, CSB,….) any Sambava, Fenoarivo Atsi­nanana, Ambilobe. Nohama­fisina ny fahaiza-manaon’ny Vondrona tantsaha mpamokatra vary, akondro, fiompiana trondro, fanjonoana, tamin’ny alalan’ny tetikasa samihafa, ny Sahandriaka voajary kendrena haharitra (Savokha), ny Miahamafy, ny Vagnono, ny Aina Rano, sns. Miisa 22 ny lemaka voatondraka, hamoronana tetikasa, ho harenina any Sava sy Analanjirofo, ka anisan’izany ny fanokafana indray ny lakandranon’An­dran­gazaha Analanjirofo. Nisy ny fizarana fitaovana informatika hanatsarana ny fitanta­nana.

Fifanarahana samihafa

Miisa 15 ny fifanarahana vita ho fanarenana fotodrafitrasam-pambolena. Miisa 12 ny fifanarahana fanampiana ny mponina eny ifotony. Miisa 13 ny tolo-draharaha ho an’ny fanadihadiana sy fanaraha-maso ny tetikasa, 32 ny fama­tsiana fitaovana, sns.
Nilaza i Tafanimboladosy Noella, miasa amin’ny Afafi Avaratra any Ambilobe, nanom­boka ny taona 2019 fa voajary ny lemaka voatondraka any Basse Mahavavy, mandalo an’ Andavakantsantsa hatrany amin’ny lakandanon’i Stella. Nahazo fiofanana sy fitaovana i Tombozara Jean Rolin. Afaka mamboly vary tsara i Andiva Voavy, mpampiasa rano any amin’ny kaominina Mantaly, faritra Diana, sns.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: