Toekarena maitso: ahavitana zavatra maro ny volobe

Ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ny fandrakofana ala an’i Madagasikara. Mifameno amin’izany ny fampiroboroboana ny toekarena maitso, toy ny seha-pihariana volobe

Nankalazaina omaly, ny Andro manerantany ho an’ny volobe. Nitarika ny fotoana, ny minisitry ny Tontolo iainana (Medd), i Max Andonirina Fontaine. Lohahe­vitra noraisina ny hoe « Seha-pihariana volobe mahomby sy tontolo iainana mirindra ho an’ny fampandrosoana maharitra ».
Maro ny sehatra eto amintsika amin’ny fampiroboroboana azy, miainga amin’ny fambolen-kazo, ny fanofanana, ny fanodinana, sns. Mahatratra 45 600 ny zanakazo voavoly, amina velarantany 157 ha, any Antsampanana, Atsina­nana, ao anatin’ny tetikasa Volobe ataon’ny fikambanana Bondy. Nilaza Razafindrakoto Jean Yves, manampahaizana amin’ny volobe fa azo hanaovana tetezana, trano, mihitsy aza io zavamaniry io. Misy 35 ny karazana volobe eto Mada­gasikara ka zanatany eto ny 12, nafarana avy any ivelany ny 23. Azo hahodina ho fanaka, kojakoja ao an-tokantrano, trano, sns.
Nanazava ny tomponandraikitry ny Tetikasa ho an’ny daholobe Atsinanana (PIA), miasa any Vatomandry sy Brickaville, fa anisan’ny nafarana avy any India, ny karazana Bambusa Bambos. Matevina sady be nofony, manana habe 12 hatramin’ny 15 sm rehefa lehibe, afaka 5 taona. Azo havadika ho angovo fahandro na saribao ity karazana ity. Haingam-pitombo ny volobe satria efa tafakatra 8 metatra ny haavony ao anatin’ny 2 taona monja, ary 15 metatra anatin’ny 5 taona.

Fanofanana
Anisan’ny nomena fiofanana mahakasika ny volobe ny mpianatra ho teknisian’ny Ala eny amin’ny Foibem-piofanana CNFTF eny Angavokely. Mitotaly 85 ireo nizarana mari-piofanana, omaly.
Mpikambana ao anatin’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny volobe Inbar, i Madagasikara, nanomboka ny taona 2004. Anisan’ny manohana antsika ny mpamatsy vola iraisam-pirenena, toy ny Fida, ny Vondrona eoropeanina, i Sina, sns.

Njaka Andriantefiarinesy

.

Partager sur: