Mitombo hatrany ireo hetsika ho fampiroboroboana ny tontolon’ny horonantsarimihetsika eto Madagasikara. Anisan’izany ny “Festival Ant’Sary Doc” izay mikendry ny fanatsarana.
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny Ivokolo Analakely, ny “Festival Ant’ Sary Doc” andiany faharoa. Nanomboka omaly, ary tsy hifarana raha tsy ny 26 septambra 2024 ity hetsika iray mifantoka amin’ny fampiroboroboana ny horonantsary, indrindra ny avy eto an-toerana, ity. Eo ihany koa ny fampivelarana ireo horonantsary mpandray anjara ho amin’ny sehatra tsaratsara kokoa sy ny fanomezana sehatra ireo mpanantontosa sy mpamokatra. Horonantsary miisa 30 avy amina firenena maro no mandray anjara amin’ny “Festival Ant’Sary Doc” amin’ity andiany faharoa ity. Ankoatra ny fifaninanana, hisy ihany koa ny fandefasana horonantsary amin’ny toerana samihafa ho fanomezana fahafaham-po ny mpankafy eto an-toerana.
Anisan’ny hetsika vaovao, manana vina amin’ny fanatsarana sy fampandrosoana ny tontolon’ny horonantsarimihetsika malagasy ny “Festival Ant’Sary Doc”. Tafiditra ao anatin’izany ny fampahafantaran’ireo mpanatontosa sy mpamokatra ny sanganasan’izy ireo. Eo ihany koa ny fanomezana sehatra ahafahana mandefa izany horonantsary izany. Ankoatra ny avy eto Madagasikara, ahitana horonantsary avy any ivelany ihany koa mandray anjara amin’ny hetsika, toy ny avy ao Bénin, Maurice, Senegal, La Reunion ary ireo Sinoa mpila ravinahitra.
Hampiavaka ity andiany faharoa ity, ny fivelaran’ny hetsika amin’ny toerana maro eto Antananarivo, anisan’izany ny fandefasana sarimihetsika eny Bemasoandro, ny alahady 22 septambra 2024. Eo ihany koa ny ao amin’ny IFM Analakely, ny 21 septambra 2024.
Lin