Fivoriambe Africa 50 : firenena afrikanina 28 nahazo famatsiam-bola

Notanterahana teto Madagasikara ny fivoriam-be iraisam-pirenena Africa 50. Fantatra fa firenena 28 nahazo famatsiam-bola. Misitraka izany ny tetikasa volobe.

Tontosa omaly, teny amin’ny ivon-toerana fandraisana fivoriana iraisam-pirenena na CCI Ivato, ny Africa 50. Fivoriamben’ireo firenena mikambana ao anatin’ny vondrona. Manatrika izany ko any mpiara-miombon’antoka maro eo amin’ny sehatry ny fananganana fotodrafitrasa. Tetikasa lehibe misy fiantraikany mivantana amin’ny fampandrosoana mi­isa 25, avy amina firenena 28, no nahazo famatsiam-bola tao anatin’izany.
Anisan’ny mpisitraka i Madagasikara, amin’ny alalan’ny famatsiam-bola ho fanatanterahana ny tetikasa Vo­lobe. Tetikasa hananganana tohodrano lehibe hamokatra herinaratra any Toamasina II. Notsindrin’ny filoha Rajoelina Andry ny anjara asa lehibe ananan’ny vondrona Africa 50, indrindra ny tahirim-bolany, ho fanafainganana ny fotodrafitrasa, amin’ny fanatanterahana ny tetikasa angovo ho an’ny rehetra. Toy izany ny fampandrosoana ny indostria ary ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina aty Afrika.

Vita sonia
Vita sonia, omaly ny fifanaovan-tsonia momba ny tetikasa Volobe. Herinaratra manana tanjaka 120 Mw no andrandraina. Hamatsy an’i Toamasina, Antananarivo, Ala­otra Mangoro hatrany Vakinankaratra. Mitantana ny tetikasa ny orinasa CGHV Compagnie générale de l’hydroélectricité de Volobe (CGHV). Anisan’ny mpiara-miombon’antoka ny Africa 50, ny Jovena (Groupe Axian), ny Colas, sns.
Tafiditra ao anatin’ny famahana ny olan’ny herinaratra eto Madagasikara ny tetikasa. Hampitombo 20% ny famokarana herinaratra izany. Nialohan’ny fifanarahana, nisy ny fifandresen-dahatra nataon’ny filoham-pirenena Rajo­elina Andry. Tanjona ny hampidinana ny sandan’ny herinaratra hitsinjovana ny mpanjifa.
Hanomboka ny taona 2028 ny famokarana ny herinaratra avy amin’ny reniranon’ Ivondro, Volobe.

Lin

Partager sur: