Governoran’Anôsy : nanara-maso ny tetikasa RNT12A

Nidina mivantana nanara-maso ny fizotran’ny fanamboaran-dalana, RNT 12A, mampitohy an’i Taolagnaro amin’i Ebakika, ny governoran’ny faritra Anôsy, Rakotovelo­ma­nantsoa Voahary. Niaraka tamin’ireo teknisianina mpiara-miasa aminy ary ny avy ao amin’ny sampandraharahan’ny Asa vaventy izy tamin’izany.
Nifanakalo hevitra tamin’ny lehiben’ny tetikasa PACFC (Projet d’aménagement de corridors et de facilitation du commerce) izy ireo. Teo koa ny tomponandraikitra sy teknisianina avy amin’ny orinasa mpanatanteraka ny asa, ny CRCC….
47% ny taham-pahavitan’ny asa, raha ny filazan’ireo teknisianina teny an-toerana. Efa mandeha be ny fanamboarana ny tetezana ary anisan’ny goavana ny tetezan’i Ebakika. Vonona amin’ny ho fanamorana sy hifanome tanana amin’ny anjara tandrify azy ny faritra Anôsy mba ho fanatanterahana ireo toromarika nomen’ny Filoham-pirenena ho fanafainganana ny fanatanterahana ny asa.
Hanampy betsaka ny fivezivezena sy ny famoaham-bokatra ny fahavitan’io lalana io. Efa miandrandra ny fahavitan’izany koa ireo mponina sy ny mpampiasa iny RNT12A iny.

Tatiana A

Partager sur: