Rakotoarijaona Jerry: «Tsy mipetraka ny ahiahy hoe atahorana Ravalomanana»

“Angamba, tsy mipetraka loatra ny ahiahy hoe: tena atahorana ara-politika tokoa ve Ravalomanana?”, hoy ny fijerin’ny filohan’ny Vahaolana anio sy rahampitso (Var), Rakotoarijaona Jerry, ny amin’ny firotsahan-kofidin’ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, ho ben’ny Tanàna, Antananarivo Renivohitra, mahabe resaka eo amin’ny tontolo politika amin’izao. Tsy mbola voafidy tamin’ny fifidianana madio izy, na tamin’ny 2001 na 2006. Indroa nirotsa-kofidina taorian’izay, fa tsy voafidy… Hanangana krizy sy korontana no hahazoany tombontsoa. Tsy hoe hiasa irery koa ny ben’ny Tanàna rehefa voafidy eo, ka afa-kanao didy jadona na hangoron-karena. Misy ny mpanolotsain’ny Ta­nàna hofidina miaraka amin’ny ben’ny Tanàna, miara-kitondra ny tanàna.
Akana hetra ho an’ny fanjakana ny karaman’ny mpiasa isam-bolana, ohatra, misy hetra aloa ny saran-jiro sy rano amin’ny Jirama… Maha­lasa saina raha misy olona avela tsy handoa hetra an-tapitrisa maro eto Madaga­sikara. Vola azo hanaovana fampandrosoana amin’ny za­vatra hafa izany: toeram-pitsaboana, efitrano fianarana… Hojerem-potsiny ve izany? Efa hita ny toeran’ny filoha teo aloha: mody manao hoe tra-pahavoazana. Tamin’ny 2001, nitaky an’izany hetra izany koa ny fanjakana notarihin’ny amiraly Ratsiraka. Saingy tsy nanaiky izy, efa indroa nanangana krizy teto amin’ny firenena: 2009 sy 2022. Fantatr’An­tananarivo sy ny Malagasy ny atao amin’ny olona toy izany, fa fanjakana tan-dalàna sy fehezin’ny lalàna ny eto Ma­dagasikara.

R. Nd.

Partager sur: