Anatin’ny fametrapetrahana ny rafitra isan’ambaratongany ny eny anivon’ny minisitera isan-tsokajiny, ankehitriny. Manomboka ny fanendrena olona amin’ny toerana samihafa. Midika izany fa efa miainga tsikelikely ny fampihodinana ny raharaham-pirenena anatiny. Efa mihazakazaka be rahateo ny momba ny fifandraisana any ivelany. Efa azo tsapain-tanana ny ezaka amin’ny lafiny diplaomasia sy ny toekarena.
Ilay sosialim-bahoaka nilokalokana izao no andrasana. Mbola tsy hita be ihany ny politikam-pirenena mahakasika izany. Ny momba ilay fanafoanana ny saram-pisoratana anarana any an-tsekoly aza hatreto tsy mipaka hatrany ambanivohitra. Mihitsoka aty an-drenivohitra ny serasera sy ny fampahafantarana. Hany ka mampisavorovoro ny sain’ny ray aman-dreny.
Iaraha-mahalala fa sarotra ny fiainana. Mizaka ny tsy eran’ny aina ny kilasim-piarahamonina ambany fitadiavam-bola. Ny madinika miha fadiranovana, ny manana manana ihany. Anisan’ny tena mahatonga saina ny fiainana eto an-dRenivohitra. Zary fitobian’ny mafy ady, kanefa famaharan’ny mpanefoefo.
Mifono zava-dalina izany amin’ny lafiny toekarena sy ny politika ankapoben’ny fanjakana. Tsy ato ho ato aloha ny fandrosoana tena izy, izay mipaka any an-tokantranon’ ny Malagasy. Kilasy tokana no mifehy ny zava-drehetra. Taingim-bozona ny misy raha ny fifandanjan-kery ara-bola no resahana. Toa fanandevozana vaovao amin’ny endriny hafa mihitsy.
Tsy hita anefa izay homen-tsiny, samy tomponandraikitra amin’ny zava-miseho ny Malagasy. Zary manaiky resin’ny fiainana sy tsy vonona ny hihoatra intsony. Zary kolontsaina ny mitsetsetra anaty fahavoazana. Tsy mitady hirika hivoahana amin’ny fahasahiranana fa faly mitaraindraina fotsiny. Resy tsy miady na tena minia tsy miady ny ankamaroan’ny olona, ankehitriny.
r.r