Rio Tinto QMM : nizara kit scolaire tany amin’ ny faritra Anôsy

Anisan’ny nanampy betsaka ireo mpianatra sy ny ray aman-dreny tany amin’ny distrikan’i Taolagnaro, faritra Anôsy, ny hetsika ara-tsosialy nataon’ny Rio Tinto QMM. Tamin’ny alalan’ny fizarana fitaovam-pianarana.

Nifarana afakomaly ny fi­za­rana fitaovam-pianarana nataon’ny Rio Tinto QMM, tany amin’ny distrikan’i Taolagnaro, faritra Anôsy. Nisi­tra­ka izany ireo mpianatra 11 258 ao anatin’io distrika io. Tanjon’ny hetsika ny hanatsara ny fidiran’ny an­ki­zy any an-tsekoly sy hampihena ny tahan’ny ankizy miala an-daharana. Ha­ne­nana ny fandaniana sy ny vola mivoaka eo amin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra iha­ny koa.

Natomboka ny 9 septambra teo, tany amin’ny EPP Ampasy Nahampoana, ity hetsika ara-tsosialy ity. Anisan’ny nahazo tombontsoa tamin’izany, ireo mpianatra eny anivon’ ny ankanin-jaza hatramin’ny CM2. Mpianatra avy amin’ny EPP 38, miparitaka amin’ny kaominina valo, izay manakaiky ny Rio Tinto QMM, toy ny any Ampasy Nahampoana, Mandromon­dro­mo­tra, Taolagnaro, Manam­ba­ro, Sa­ri­sambo, Soanierana, Iabo­a­koho ary Mahatalaky no niositraka izany.
Sehatra ahafahana mampandroso
“Resy lahatra izahay fa anisan’ny fitaovana iray hahafahana mankany amin’ny fampandrosoana ny fanatsarana sy fanampiana amin’ny fidiran’ny mpianatra tahaka izao”, hoy i Isabelle Wabete, Tale mpanatanteraka ao amin’ny Rio Tinto QMM. “Manantena izahay fa hitondra fiovana eo amin’ny fiarahamonina ny tetikasa tahaka izao”, hoy Rakotovelomanan­tsoa Voahary, governoran’ny fa­ritra Anôsy. Nisaotra ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fahombiazana sy fahatanterahan’ny tetikasa ihany koa izy tamin’izany.
Manodidina ny 215 000 dolara ny tetibola natokana nanaovana izao tetikasa izao. Niaraha-niasa tamin’ny faritra Anôsy, ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena (Dren) ary ny fari-piadidian’ny sekoly (Cisco) any Taolagnaro. Marihina fa efa nisy koa ny fandaharanasa nataon’izy ireo hamatsiana vatsim-pianarana ho an’ny tanora any amin’ity distrika ity.

Mino

Partager sur: