Sarimihetsika mampatahotra: halefa anaty efitrano ny « R+3, The Origin »

Sarimihetsika malagasy, fa tsy araka ny anarany ny « R+3, The Origin ». Ny nampiavaka azy amin’ireo aman-jatony efa nivoaka kosa, sarimihetsika mampatahotra izy ity. Efa nisy ny andiany voalohany tamin’ny R+3  izay nivoaka tamin’ny taon-dasa. Tohiny sady farany kosa ity hivoaka tsy ho ela ity. Alefa voalohany, ny 9 oktobra izao, ao amin’ny Cinepax Ankoron­drano sy any amin’ny Blue Heaven Toamasina izany. Hifandimby handeha amin’ireo efitrano fandefasana sarimihetsika manerana ny Nosy kosa, manomboka ny 12 oktobra izao.
Nanoratra ny tantara i Givennio Kalolahy, izay sady tomponandraikitry ny Street Company, trano mpamokatra. Nanatontosa ny sarimihetsika kosa i Franck Dix sy i Patrick Ramangason.
Mihodidina amin’ny tantarana tovolahy iray mpianatry ny oniversiten’i Barikadimy any Toamasina ny tantara. Na­mono tena tao amin’ilay trano antsoina hoe R+3, izay mampatahotra ny maro ao an-toerana izy io. Toa niteraka ozona, nahatonga mpianatra hafa namono ireo namany izany…
Izay ny tamin’ny tapany voalohany, fa mitohy amin’ny fikarohana ny fototra nahatonga ny ozona sy ireo vonoan’olona ireo ny “R+3, The Origin”. “Mpianatra ao amin’ny Oni­versiten’i Barikadimy aho, ka mba te hizara ihany koa ny zava-misy amin’ny alalan’ny sarimihetsika. Nampiana-tena izahay tamin’ny famokarana sarimihetsika, kanefa miezaka mba hizara vokatra tsara”, hoy ny nambaran’i Givennio Kalol­a­hy, nandritra ny fampahafantarana ny vokatra, tetsy amin’ny foiben’ny Telma Andra­haro, omaly.

Zo ny Aina

Partager sur: