Solofo Lalaina : nirotsaka ho ben’ ny Tanàna ao Ivato

Tafapetraka, omaly, teo anivon’ny OVEC etsy amin’ny distrikan’Ambohidratrimo, ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina ho ben’ny Tanàna ao amin’ny kaominina Ivato ho an’i Lalaina . “Ivato tonga saina, miaraka amin’i Lalaina” no teny filamatra entiny. Mirotsaka amin’ny anaran’ny antoko TGV, miaraka amin’ny fitondram-panjakana izy, ary maro ny fikambanana manohana azy amin’izany. “Ny fahatsapana ny fahasahiranan’ny vahoaka no anisan’ny nanosika ahy handray ny andraikitra, ankoatra ny maha zanatanin’Ivato aho”, hoy izy nandritra ny fanaterany ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina
Manana vina manokana hanatsarana ny fiainam-bahoaka hitantanana ny kaominina Ivato izy. Niara-dalana taminy nandritra izany ihany koa ireo mpanolotsainy, izay notsongaina avy eny ifotony sy mahalala ny filàna sy ny olan’ny vahoaka. Hotanterahina afaka telo volana ny fifidianana raha toa ka tsy misy ny fiovana.

Lin

Partager sur: