SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina ny 9 hatramin’ny 12 desambra izao, any Afrika Atsimo, ny fiadiana ny ho tomponda­kan’i Afrika, taranja kick-boxing. Handray anjara i Madagasikara ary efa eo am-pandaminana ny fanatanterahana ny fampivondronana ireo mpikatroka hotsongaina amin’izany ny Federasiona malagasin’ny kick-boxing.
Ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara no fifaninanana farany eto an-toerana, miandry ny Federasiona malagasin’ny judo, hatao ny volana novambra izao. Mialoha izany, hatao any Turkménistan, ny 2 hatramin’ny 5 oktobra izao, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, sokajy Juniors, izay mety ahitana solotena malagasy.
Efa manomboka ny fanomanan-tenan’ireo ekipa ao anatin’ny Elites 8 hiatrika ny fifaninanam-pirenena N1A, hatao eto Antananarivo, ny 26 septambra hatramin’ny 6 oktobra izao. Etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina izy ireo no manao fanazaran-tena ary anisan’ny efa niatrika izany ny BCB, ny JEA sy ireo ekipa hafa.
Hotontosaina anio, any Kenya, ny lalao
fanomanana hiatrehan’ny Makis Ladies, ny fifaninanana iraisam-pirenena “WXV III”, taranja rugby, sokajy vehivavy. Ny ekipam-pirenen’i Kenya no hifanandrina amin’izy ireo amin’izany, tsiahivina fa mbola manala vela ry zareo kenianina.

Partager sur: