Nitsidika ny fampirantiana “Memoria , récits d’une autre Histoire”, teny amin’ny Fondation H Ambatomena, omaly, ny mpianatra avy eny amin’ny EPP Ampefiloha. Izy ity izay hetsika tafiditra ao anatin’ny tetikasa « Hay », iarahan’ny Fondation H sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ary ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra sy ny fikambanana Ank’izy miasa. Tanjona ao anatin’izany ny fampidirana ny ankizy eny anivon’ny sekoly ambaratonga voalohany eo amin’ny sehatry ny zavakanto. Ankoatra ny fitsidihana, misy koa ny atrikasa maro ho an’ireo ankizy eny anivon’ny sekolim-panjakana eto an-dRenivohitra.
Anjaran’ny mpianatra avy ao amin’ny EPP Ampefiloha indray ny nitsidika ny fampirantiana “Memoria, récits d’une autre Histoire”, anatin’ny tetikasa “Hay”. Mpahaikanto maro avy eto an-toerana sy avy any ivelany no mandranty ny haikantony ao anatin’izany. Anisan’ny manampy ny tetikasa amin’ny fanatrarana ny tanjona ny fampirantiana noho izy manaitra ny famoronan’ny ankizy sy misarika azy hisehatra eo anivon’ny zavakanto.
Lin