Feno 38 taona ny Fiavama, Fikambanan’ny injenieran’ny Asa vaventy malagasy. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny Ininfra Alarobia, ny atrikasa fankalazana ny taon-jobily niorenany. Lohahevitra noraisina ny hoe «Fanavaozana ny faharetana amin’ny Asa vaventy, mamaly ny fivoaran’i Madagasikara».
Eo am-pandinihana ny hananganana orinasa hamokatra sy hanodina indray ny bateria efa niasa. Tanjona ny ahafahana mitahiry angovo azo avy amin’ ny fitaovana mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Miara-misalahy ny hanatanterahina azy ny minisiteran’ny Angovo (MEH), ny Indostria sy ny varotra (MICC), ny Banky iraisam-pirenena ary ny Onudi.
Fomba famokarana mikajy ny tontolo iainana ny agroekolojika. Mitandro ny nofon-tany amin’ny fanaovana voly rakotra sy ny fampiasana zezika biolojika ary ny fampivadiam-boly na fifampidimbiasam-boly. Tanjona ny hampitomboana ny vokatra ara-pambolena sy ara-piompiana amin’ny fomba maharitra, manoloana ny fiovan’ny toetr’andro.
Tsy nitovy ny drafitra nosoniavin’ny minisiteran’ny Toekarena (Mef), sy ny drafitry ny orinasa Sinohydro, manamboatra ny lalana « voie rapide » (RN 2) any Toamasina. Misy ny tany vaovao voakasiky ny asa ary eo koa ny tsy hokitihina indray, nefa efa nonerana vola. Naato, araka izany, ny fanonerana, fa ho hamarinina eny an-toerana aloha.