Vital Serge : hifantoka amin’ny fanatanjahantena

Toy ny efa fanaony, mitohy hatrany ny fijerena akaiky ny tanora sy ny mpanao fanatanjahantena, ho an’ny filohan’ny EST (Espoirs sportifs de Tuléar), i Vital Serge. Tafiditra anatin’ny tetikasany ny fanatanjahantena sy ny fitsinjovana ny hoavin’ny tanora ao Toliara. Nisy ny fanomezana fanamiana “maillots” ho an’ ireo ekipa mpikatroka baolina kitra isam-pokontany ao Toliara ary maromaro no efa nozaraina. Tsy ny taranja baolina kitra ihany no nahazo ny anjarany fa teo ihany koa ny taranja hafa, toy ny basikety, tsipy kanetibe, handball, sy ny sisa. Ankoatra izay, kianja maro no navaozina sy namboarina tao Toliara, ka ani­san’izany ny vao novitaina farany teo, ny kianja basikety Prefektiora sy ny kianja filalaovana tenisy izay nasiana fanamboarana tamboho. Mila tohanana, hoy izy, ireo zandry mpanao fanatanjahantena sa­tria maro amin’izy ireny no maniry ho lasa lavitra sy manana talenta. Tsy nanadino nisaotra ihany koa ireo raiamandreny miahy ny tanora ao amin’ny fokontany misy azy avy, i Vital Serge. Tsy mitsahatra mitady hevitra foana hanampiana ireo tanora izy.

Mi.Raz

Partager sur: