Ady amin’ny herisetra: naka traikefa ny vadin’ ny mpitandro filaminana

Haharitra roa taona ny tetikasa Hope (fanantenana), izay finiavana nentin’ny Henka Suru, mitondra any amin’ny fiovan’ny toe-tsaina. Vehivavy 300 mahery nisitraka ny fifampizarana avy amin’ny tetikasa. Nanolotra ny mariky ny fahavitan’ny asa voalohany ny vadin’ny filohan’ny Repoblika.

Notoloran’ny vadin’ny filohan’ny Repoblika sady reny mpiahy certificat ireo vehivavy nisitraka ny fifampizarana sy fifanakalozan-kevitra momba ny fahatokisan-tena sy ny fahaiza-mitarika ny andriambavilanitra 300, omaly, teny amin’ny Havoria Anosy. Vehivavy niharan’ny herisetra, vadina miaramila, polisy ary zandary ireo nandray ny fifampizarana tao anatin’ny roa andro, teto Antananarivo. “Tsirin-kevitra avy amin’ny Kabinetra Henka Suru ny fametrahana ny fandaharanasa Hope, manampy ny mpiara-belona,orinasa ary fikambanana hahay mitondra tena”, hoy ny mpanorina Rasoavatsara Stéphane, miaraka amin-dRambelo Hasina. Ilain’ny firenena ny fanovana sy ny vehivavy manana traikefa izay tsy voatrandraka mihitsy teo aloha. Tanjona ny hanangana fiarahamonina mafy orina.
“Resy lahatra aho fa mahay ary mahavita zavatra ny vehivavy. Ananantsika avokoa ny singa sy ny fepetra rehetra hanovana ny hoavin’y zazavavy sy ny vehivavy, amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’izy ireo”, hoy ny reny mpiahy, Rajoelina Mialy. Nohamafisiny fa fitaovana sarobidy ny fifampizarana natao, hoentini’reo vehivavy mamehy sy manarina ny fiainany ary hanatsara ny hoaviny. Ho lasa vehivavy mahaleo tena sy ohatra tsara ho an’ny fiarahamonina izy ireo manomboka izao.

Hitohy any amin’ny faritra
Fanombohan’ny fandaharanasa Hope ny fifampizarana teto Antananarivo fa hitarina any amin’ny faritra izany. Roa taona ny faharetany ary feno fanantenana sahady ny mpikarakara fa namaly ny antso ny fikambanam-behivavy ary vonona hiara-miasa amin’ny lehilahy hitondra fampandrosoana. Nanome torohevitra, fitaovana ary tetikasa ny Henka Suru ahafahany mitondra ny anjara biriky eo amin’ny fampandrosoana. Ilàna fandaminana anefa izany ka voalohany nisitraka ny vadin’ny mpitandro filaminana.
Niofana tany Havard Rambelo Hasina ary te hitondra valim-babena ho an’ny firenena satria mipetraka eto Madagasikara. Te hamerina ny hasina ho an’ny firenena no nahatonga azy roa nanangana ny tetikasa Hope.

Vonjy

Partager sur: