«D2 Nationale» : nisaraka ady sahala ny FCA sy ny FC Avenir

Nitohy omaly ny andro faharoa amin’ny lalao mandroson’ ny “Poule des As” hiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasikara, taranja baolina kitra, “World Cola League Des Champions D2 Nationale”. Teny amin’ny Kianjan’Am­bohi­dratrimo, nisaraka ady sahala 2 no ho 2 ny FCA Ilakaka sy ny FC Avenir Anosy. Lalaon’ny samy nandresy ny an’ny roa tonta. Niady ny lalaon’ny roa tonta ary tena nasehon’izy ireo fa sangany ao anatin’ireo hiady ny ho tompondaka.
Tetsy amin’ny Kianja Elgeco Plus Stadium indray, resin’ny FC Theo Sava, tamin’ny isa 2 no ho 0 ny AS Fos Analanjirofo. Faharesena fanindroany ho an’ny ekipan’Atsinanana ity. Hitohy rahampitso ny fihaonana ka hifandona etsy amin’ny Elgeco Plus Stadium ny AS Fos sy ny FC Avenir Anosy ary eny Ambohidratrimo ny FC Theo sy ny FCA Ilakaka. Marihina, tapitra amin’io ny lalao mandroso. Hanomboka ny talata 24 septambra 2024 kosa ny lalao miverina.

Tompondaka

Partager sur: