Vonona hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampiroboroboana ny indostria ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM). Nifampidinika ny lalan-tsaina hampandrosoana ny sehatry ny indostria eto amintsika ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria, ny varotra ary ny fanjifana (Mic), Ralambofiringa David, sy ny filohan’ny SIM, Rasamimanana Tiana, nandritra ny fihaonany tetsy Ambohidahy, ny alarobia teo. Voaresaka, nandritra izany, ny fisokafana amin’ny sehatra tsy miankina ahafahana mampitombo ny anjara biriky entin’ ny indostria amin’ny harin-karena faobe. Fantatra, misy sokajy telo ny indosria eto Madagasikara, eo ny milina na ozinina madinidinika « One District One Factory (odof) hampandrosoana ny faritra. Eo ihany koa ny indostria antonontonony ary ireo indostria vaventy mpamokatra siramamy, menaka, simenitra sns. “Ny voalohany dia ny fampihodinanana ireo indostria efa misy sy ny fijerena ny rojom-pihariana. Mila mamokatra akora fototra eto an-toerana aloha satria hiha hahantra ihany ny firenena raha sanatria tapitra aondrana avokoa ireo akora fototra ireo”, hoy ny minisitra.
Paikady
Nitondra ny zava-misy iainan’ireo mpandraharaha amin’ ny fampihodinana ny indostria ireo mpikambana eo anivon’ny SIM. Ilaina, araka izany, ny manana paikady voarafitra miainga amin’ny atontanisa marina ny fampiroboroboana ny indostria izay iarahana manatanteraka amin’ny sehatra tsy miankina. Ankoatra izay, hiara-miasa amin’ny minisitera hafa ny Mic hanatrarana ny tanjona.
Henintsoa H.