“Fanamby Mpana-Dio” : nahomby ny hetsiky ny Mpanazava

Nanamarika ny hetsika « Fanamby Mpana-Dio » ny Mpanazava eto Madagasikara tamin’ity herinandro ity. Nisy ny fanentanana an-tambajotra maneho ny maha zava-dehibe ny fanadiovana sy ny fanodinana ny plastika ho fiarovana ny tontolo iainana.
Nitondra feo amin’ny toerana na sekoly ny hanokanana andro iarahana manadio ary manao fanadiovana any amin’izany toerana izany, miaraka amin’ny vondrona misy azy, ny mpanazava. Sekoly maro no nanaovana fanentanana ary nahafoy fotoana niarahana nanadio ny toeram-pibeazana ny mpikambana.
Ho an’ny Vondrona, Fivondronana, Faritany kosa dia nisafidy toerana na sekoly hodiovina, niaraha-nanadio izy ireo, omaly. Fanehoana fiarahana sy firaisankina, miombom-po amin’ny fahadiovana sy fidiovana izao natao izao.
Ho an’ny rehetra kosa dia ny fiaraha-manadio ho fanatanterahana ny “World Cleanup Day” amin’ny fikambanana maro manerana ny Nosy, anio, any amin’ny faritany izay misy azy avy.
Misokatra ho an’ny Mpanazava rehetra kosa ny fandefasana horonantsary fanodinana ny fako plastika ao amin’ny tambajotran-tserasera sy sary tamin’ireo hetsika rehetra natao miaraka ho fanehoana fa tena nanao dingana sy naneho firaisankina tamin’ny hetsika Fanamby Mpana-Dio tokoa.
Hetsika fakan-tahaka no nataon’ny Mpanazava eto Madagasikara. Azon’ny fikambanana rehetra hatao ihany koa izany ary azo itarina amin’ireo sekoly sy fiangonana mihitsy aza hisian’ny fahatongavan-tsaina amin’ny sehatry ny fidiovana sy fahadiovana.

Tatiana A

Partager sur: