“Andeha isika hamorona olona tahaka antsika”… Io ny lohahevitra amin’ilay fifaninanana karakarain’ny Faribolana Sandratra, tafiditra anaty fanamarihana ny faha-35 taona nijoroany. Hiatrika famaranana amin’ny fiantsana tononkalo ireo 15 mianadahy tafakatra tamin’ny fifaninanana andiany voalohany, tetsy amin’ny CGM Analakely, ny volana aogositra lasa teo. Tsiahivina fa tsy ao anaty Faribolana Sandratra ireo mpifaninana. Ny asa soratr’ireo « mpiraifaribolana », anefa, no masontsivana velomin’izy ireo.
Nahatratra 26 ireo nifaninana ka ny 15 no hiatrika ny dingana famaranana izay hotanterahina etsy amin’ny Cercle Germano Malagasy (CGM) Analakely, ny 28 septambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. “Ho fampiroboroboana ny literatiora hatrany ny tanjon’ny Faribolana Sandratra, manandratra ny teny malagasy ary misokatra amin’ny fiara-miasa hatrany izahay…” hoy i Narilala, poeta, anisan’ireo komity mpikarakara ity hetsika ity ao amin’ny Faribolana Sandratra.
Mpitsara matihanina sy manana ny toerany eo amin’ny sehatry ny haisoratra no hitsara ireo mpifaninana. Hisy mpanakanto hanafana ny sehatra, toa an-dry Serge Gpe. Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina ny hetsika.
HaRy Razafindrakoto