Andrarezin’ny teatra sy haisoratra ary mozika no niray sehatra nanolotra seho iray ho an’ny mpankafy zavakanto teny amin’ny Fondation H Ambatomena. Seho tena kanto no natolotr’izy ireo ho an’ny mpankafy azy, izay nahafa-po tanteraka ny mpijery.
Tontosa omaly, teny amin’ ny Fondation H Ambatomena, ny seho «Injay !», niarahana tamin’i Fanja Andriamamantena sy Michèle Rakotoson ary Christiane Ramanantsoa. Seho sy dinika ary fifampizarana niarahana tamin’ireto mpanakanto, samy manana ny maha izy azy, ireto no nandravaka ny Fondation H, omaly. Hetsika izay tafiditra ao anatin’ny famaranana ny dingana faharoa amin’ny fampirantiana « Memoria: récits d’une autre Histoire ». Tonga maro nianoka izany fampisehoana tsy manam-paharoa izany ny mpankafy zavakanto isan-karazany. Ankoatra ny fampitambarana ireto andriambavilanitra andrarezin’ny kanto malagasy ireto, tanjon’ny hetsika koa ny fanomezana sehatra ireo Malagasy mpanakanto isan-tsokajiny.
Fampisehoana anisan’ny niandrasan’ny maro ny « Injay ! » niarahana tamin’i Fanja Andriamamantena sy Michèle Rakotoson ary Christiane Ramanantsoa. Tao anatin’izany no nahitana seho an-tsehatra notontosain’i Christiane Ramanantsoa, noravahina ny antsa haisoratra nosoratan’i Michèle Rakotoson, laroina ny hiran’i Fanja Andriamanantena. Nandritra izany fotoana izany ihany koa no nahafahan’ireo mpankafy nitafa tamin’ireto andrarezin’ny zavakanto malagasy ireto sy niresahina mahakasika ny fiaimpiainan’ny zavakanto malagasy ankehitriny.
Anisan’ny fanamby sy vinan’ny Fondation H, ny fanomezana sehatra ireo mpanakanto maro samihafa. Porofon’izany izao fampiraisana sehatra an’i Fanja Andriamamantena sy Michèle Rakotoson ary Christiane Ramanantsoa izao. Hitohy ny ezaka ary tsy miova ny tanjona, araka ny nambaran’ny tomponandraikitry ny Fondation H. Antenaina, araka izany, ny mety ahitana mpanakanto samy andrarezin’ny kanto malagasy hiray sehatra eny an-toerana aorian’izao.
Lin