Haintany : may ny alan’Angavokely

Nirehitra efa nanomboka ny alatsinainy 9 septambra teo ny Tahirin’ala eny Angavokely, distrika Manjakandriana. Na­fana ny andro, nitsoaka ny rivotra, ka sarotra ny namonoana azy.
Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana, niisa 27 ny lohan’afo hita, ary tombanana fa mety niniana natao.
Nihetsika daholo ny fokonolona sy ny komitin’ny Ala sy ny tontolo iainana (Kasti) ary ny mpiofana sy ny mpiasa ao amin’ ny Foibem-pirenena fanofanana teknisian’ny ala (CNFTF) Angavokely. Voafehy tamin’ity herinandro ity ny afo. Namono ny otrik’afo no tena sarotra.
Mirefy 696 ha ny tahirin’ala Angavokely, ka ala voajana­hary ny 80 ha, ary hazo kininina sy kesika kosa ny ambiny. Ahitana ny Foibem-pirenena fanofanana teknisian’ny ala (CNFTF) eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra, eny an-toerana. Ankehitriny, miisa 60 ny mpianatra miofana eny.

Njaka A.

Partager sur: