INDRAY MIJERY

Nandray ireo delegasiona frantsay avy amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ireo ekipa avy ao amin’ny minisiteran’ny Fambolena eto an-toerana ny minisitry ny Fampiana­rana teknika, tamin’ity herinandro ity. Tanjona ny hametraka fiaraha-miasa hampivoarana ny tontolo ambanivohitra sy ny fampiofanana ireo tanora misehatra amin’ny fambolena. Manampy ireo ny fifampizarana traikefa izay azo ampiharina eto Madagasikara.
Tontosa ny fampiofanana ireo talen’ny EPP eo anivon’ny Dren Analamanga, tamin’ity herinandro ity. Namafisiny fa ho hentitra ny fanaraha-maso ny amin’ny fampiharana ny raki-pahalalana rehetra notovozina nandritra ny fiofanana. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa fanohanana ny fanabeazana fototra (Paeb) ity fampiofanana ity, natao ho an’ny talen-tsekoly miisa 4 600 mandritra ny enin-taona nisian’ny tetikasa.
Hitsidika an’i Italia ny delegasiona avy ao amin’ny Oniversiten’i Mahajanga, tarihin’ny filohany. Fiaraha-miasa amin’ny Université de Benevento no tanjon’ny dia any an-toerana, hampivoarana ny fifanakalozana eo amin’ny samy Oniversite.

Partager sur: