“177 ny mpifaninana maneran-tany, ka azo lazaina fa efa tsara toerana ihany i Madagasikara nandritra ny Miss Monde farany teo. Na izany aza, ezahina mba ho tafakatra ambonimbony kokoa ny naoty rehetra”, hoy ny nambaran’i Nicha, filoha lefitry komity mpikarakara ny “Miss Madagascar”. Nisy ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, nilazan’izy ireo ny andinindininy rehetra momba ny fifaninanana izay ho “Miss Madagascar” andaniny, sy izay miandry ny lany eo amin’ny “Miss Monde”.
“Anisan’ireo hatsaraina ny lafiny fitafiana satria hifaninanana koa ny “world designer”. Efa manana ny mpampiakanjo azy ny mpifaninana isam-paritra, ka hanaraka izay lany eo ny azy. Eo koa ny fanaovana ireo Challenges rehetra miandry any amin’ny “Miss Monde”: “Beauty purpose”, fanatanjahantena, fahaiza-miaina, sns. “Tsy ny volo sy ny tarehy loatra no hahalany azy fa hoe iza marina izy any anatiny any? Hamolavola azy ireo amin’izay tokony ho fantany rehetra ireo coachs ireo”, hoy ry zareo avy ao amin’ny Komity mpikarakara.
Ny 23 hatramin’ny 28 septambra izao no hiditra ny trano manokana hiofanany ireo tovovavy miisa 19, hifaninana. Ho fantatra amin’io 28 septambra io, etsy amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka kosa izay hisalotra ny anaram-boninahitra “Miss Madagascar”.
Zo ny Aina