Rasoamaromaka Hery : “Tsy ekena intsony ny fanakorontanana”

“Tsy manaiky an’izany korontana izany intsony isika mponina eto Analamanga. An’i Madagasikara Anala­mang­­a, fa hita eto avokoa ny lafivalon’ny Nosy”, hoy ny sekretera nasionalin’ny TGV sady governoran’ny faritra Ana­­lamanga, Rasoama­ro­maka Hery, teny Mahama­sina, omaly, ny amin’ny fifidianana kaominaly, faritra Ana­lamanga. Efa sahirana toy izao ve dia mbola hikorontana ihany? Sa rehefa mikorontana ny firenena dia midina ny sandan’ny vola vahiny, midina ny vidim-bary? Efa hita hatrany izay. Tsy misy resaka lavina na tsy lavina amin’ny firotsahan-kofidina. Ampiharina amin’iza àry ny lalàna? Mam­palahelo ny zava-misy eto Madagasikara, raha tsy ampiharina amin’ny rehetra ny lalàna. Misy ireo mpandraharaha madinika, toy inona ny fitakian-ketra aminy: migadra… Maninona rehefa mpanao politika no azo ifanarahana na misy fifanekena ny hetra? Fantatra ny tanjon’ilay olona: hanakorontana ny Malagasy. Na eo aza ny ben’ny Tanàna, mbola misy prefet eo. Sao tsy fantatsika izany? Ny prefet no tompon’ny teny farany… Olo­na tokony hiara-miasa amin’ny fitondram-panjakana no tokony ho ben’ny Tanàna, hiara-mijery izay mety. Tanjon’ny hafa ny tsy hampandroso ny kaominina fa ahoana ny hisian’ny korontana eto Madagasikara? Na inona na inona zava-misy, tsy ekena intsony izany korontana izany ary ampiharina lalàna amin’izany toetra izany. Mba hahazoan’ny Malagasy mifanampy sy hiaina hahazoana manala an’izao fahasahiranana izao: ahoana ny sakafo… ? Izay no mahamaika ny olona, fa tsy mahasarika olona ny korontana eto Antananarivo.

R. Nd.

Partager sur: