Saika haondrana: telo lahy nahatrarana rongony 100 kg

Voasambotry ny zandary ao amin’ny vondron-tobim-paritra Ambilobe, afakomaly, ireo jiolahy telo mpanao trafikana zava-mahadomelina. Voalaza tao anatin’ny tatitra nampitain’ny zandary fa mpamboly sady mpivarotra ary mpifoka izy telo lahy tratra ireto. Nahazo loharanom-baovao momba ny fisian’ireo jiolahy mamboly rongony amina velaran-tany amina hekitara ao Ambilobe ny zandary. Nidina nanao fitsirihana ireto farany ka voamarina tokoa ny fisian’ireto jiolahy ireto. Tratra teny amin’izy ireo ny rongony maina efa voaomana tanaty gony saika haondrana, milanja 100 kg mahery. Tsy vitan’izay fa mbola nahatrarana voan-drongony marobe tanaty gony koa tany amin’izy ireo. Tao anatin’ny famotorana no nahafantarana fa efa ela ry zalahy ireto no nanao ity asa ratsy mivelona amin’ny fanaovana trafikana zava-mahadomelina ity. Anisan’ireo faritra ahitana olona mpisehatra amin’ny fambolena rongony iny faritra iny na eo aza ny fandrarana sy ny fanenjehana ataon’ny fanjakana momba izany. Efa misy olona mandray ny entana saingy mbola anatin’ny famotorana ny zandary momba ireo mpiray tsikombakomba amin’izy ireo. Hatolotra ny fampanoavana izy ireo aorian’ny famotorana ataon’ny zandary.

J.C

Partager sur: