SOMBIM-BAOVAO

Hatao ny 4 hatramin’ny 6 oktobra izao, any Toa­masina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Beach-volley. Hifarana ny 30 septambra izao kosa ny fe-potoana fandraisana ny anaran’ireo ekipa handray anjara mandritra ity fifaninanana nasionaly ity. Anisan’ny efa nisoratra anarana ny Stef’Auto, tompondaka farany.

Hotontosaina anio sy rahampitso ny hetsika « Farady M’Sket », karakarain’ny ligin’Anôsy sy ny Minibasket Anosy ary ny mpandrindra rezionaly ny basikety 3×3. Fiofananana ho an’ny ankizy, lalao 3×3 U17 sy Seniors ary Vétérans no hotanterahina mandritra ity hetsika ity.

Hotanterahina rahampitso, eny Andoha­tapenaka, ny andro fahenina, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, federaly I. Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro, amin’izany, ny fifanandrinan’ny 3FB sy ny TFMA Ankasina. Raha toa ka ny fihaonan’ny FTBA sy ny TFA no hanokatra izany eny an-toerana.

Tsy nampoizin’ny rehetra ny vokatra tamin’ny fifaninanana eoropeanina “Ligue des Champions 2025”, ny alakamisy lasa teo. Lavon’ny AS Monaco France, tamin’ny isa 2 no ho 1, ny ekipan’ny FC Barcelone Espagne, tany France. Tsiahivina fa nisy mpilalao iray nahazo karatra mena ny an’ny FC Barcelone.

Partager sur: