VAOVAO TAMBATRA

Hopotehina avokoa ireo vary stock 161 gony sy vary gasy 40 gony simba, taorian’ny fahavakisan’ ilay sambo nitondra azy. Vaky teo anelanelan’i Foul­pointe sy Mahambo, tamin’ny herinandro, iofitaovam-pitaterana io saingy niezaka ka tody soamantsara teny amorontsirak’i Mahambo ihany. Betsaka ireo entana nariana, teo koa ireo simba. Nanaiky ny hamotehana ireo vary ny mpitondra ny sambo taorian’ny taratasy nampanaovina azy.

Voaresaka ny tetikasa « K-Ricebelt » nandritra ny fihaon’ny Sekreteram-panjakana eo anivon’ny fiadidina ny Repoblika miadidy ny Fahavitan-tena ara-tsakafo, Razanamahefa Tahian’Ny Avo, sy ny masoivohon’i Korea Atsimo eto Madagasikara, Park Ji Hyun. Fandaharanasa mikendry ny hanamafisana ny fanampiana ara-tsakafo sy ny tohana ara-teknika eto Mada­gasikara ny « K-Rice­belt ».

Anisan’ny mamatsy vola ny fanarenana ny RN5, mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy Vahibe, ny Tahirimbolan’ny Opep (Ofid). Toraka izany koa ny fanamboarana ny tetezan’i Mangoky, any amin’ny lalam-pirenena fah-9. Hanomboka tsy ho ela ihany koa ny fanamboarana ny RN12A, mampifandray an’i Ebakika sy Vangain­drano.

Partager sur: