Vehivavy vanona

 

Tetikasa iray, mendrika ny hotohanana sy haparitaka ny « Hope » na ny Fanantenana, natao hitari-dalana ny vehivavy ho sahy hijoro sy hanana fahatokisan-tena. Tsy ny tetikasa amin’ny maha tetikasa azy fa ny hevitra fonosiny sy ny tanjona tiany ho tratrarina. Mifototra amin’ny maha reny, mpiahy ny isan-tokatrano, andaniny. Ny reny fototra ijoroan’ny firenena, ankilany.
Manan-kasina ny reny ho an’ny Malagasy, indrindra amin’ny lafiny fampandrosoana, ny ambaindain’ny ankohonany. Toraka izany ny eo anivon’ny firenena. Zava-dehibe ny fametrahana ny vehivavy amin’ny toerany na ny resaka miralenta. Mbola manan-danja kokoa noho izany ny fananany fahatokisan-tena, ilay finiavana mandray andraikitra mihitsy.
Tsy azo iadian-kevitra fa rehefa ny vehivavy no tafapetraka amin’ny toerana sahaza azy sy nirian’ny fony, misosasosa ny zava-drehetra. Iaraha-mahalala rahateo fa maro anisa, afaka misehatra amin-javatra maro ny reny. Matetika vato misakana ny fanilihana sy ny tahotra avy aminy. Tsy maintsy fohazina anefa izany. Tsy azo atao ambanin-javatra ny fifanentanana.
Matetika voapempo sy iharan’ny tsindrio fa lavo ny vehivavy. Ireny no sakana tsy ahafahana mitondra ny anjara biriky. Mpisehatra fototra amin’ny lafin-javatra rehetra anefa ny reny. Vehivavy sahy, mahery, vonona sy vanona no afaka mijoro, hitondra firenena. Tsy ampy an’izany rahateo i Madagasikara.
Mba ho vehivavy mendrika ihany koa anefa fa tsy ireo manimba endrika amin’ny lafiny maro. Betsaka ny andriambavilanitra no manao volo mpanoha randrana, manilika ny toa azy. Mitaky fampitambarana ny hery ny fahafahana mametraka ny vehivavy ho sahy hijoro sy hifanampy. Tsy ampy ny fampiofanana sy fizarana mari-pahaizana. Zava-dehibe ny fifohazan-tsaina sy fanahy ary fanovana fitondran-tena.

r.r

Partager sur: