40 taona nanoratana: mihoatra ny 1 000 ny tononkalon’i Aina Nirina

Tontosa ny sabotsy 21 septambra teo, tao amin’ny Tra­nompokonolona Analake­ly, ny fanamarihana ny faha-40 taona nanoratan’i Aina Nirina. Tsangambaton’izany ny namoahana ny boky « Som­­bin’i Aina 2 ». Namba­rany fa : « ny anara­na Som­bin’i Aina dia midika fa ny aingam-panahin’i Aina Nirina no ao anatiny. Midika ihany koa hoe sombin-tantara. Izany hoe, sombin-tantara voarindra ho tononkalo no mameno ny boky. Anisan’izany ny « Ra­mia­ramila », « Ikalapetako », « Satriko », sns. Misy sombin-tantara tsotra (tsy miady rima) ihany koa ao. Ankoatra ireo, maro ny lohahevitra ao, toy ny fiainana andavanandro, ny fitiavana, ny fitiavan-tanindrazana… »
Fantatra fa efa mihoatra ny 1 000 isa ny tononkalo voasoratr’i Aina Nirina. Ny 700 mahery amin’ireo efa nivoaka anaty facebook. Ny fohy indrindra dia ilay nampitondraina ny anaran’ny fikambanana « Tsanta » (Tiako sy andrianiko ny teniko sy taniko). Ny lava indrindra, sombin-tantara « Satriko » voarindra ho tononkalo izay voarakitra ao amin’ny boky « Sombin’i Aina 2 », satria, mahatratra 20 pejy amin’ny taratasy « A5 »
Nambarany fa, « ny taona 2015, tsapako fa tsy ampy ahy ny tokotanin’ny soratra ka na­nomboka namoron-kira aho. Mahatratra 30 ny hira voaforona. Hira  madinika misy antsa tononkalo any anatiny ny sasany. Tsipi-panohizana mampitohy ny maha poeta sy ny maha mpamoron-kira. Voa­voakako tsikelikely izy ireo. Na izany aza dia tsy hadino ny tononkalo fa mbola ho avy ny Sombin’i Aina 3 ».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: