Mitentina 67 tapitrisa dolara ny tohana ara-bola nomen’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) an’i Madagasikara ho fampandrosoana ny firenena sy ho fampiroboroboana ny toekarena.
Mitohy ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Nankatoavin’ny filankevi-pitantanan’ny Bad, ny zoma teo, ny fanomezana tohana ara-bola hatrany amin’ny 67 tapitrisa dolara na 50 tapitrisa DTS an’i Madagasikara, ho amin’ity taona ity. Ampahany voalohany amin’ilay fanampiana mitentina 100 tapitrisa dolara ho an’ny firenena Malagasy izy io. Andrasana amin’ ny taona ho avy kosa ny tapany faharoa amin’izany.
Natao ho an’ny fampandehanan-draharaham-panjakana, izay tafiditra ao anatin’ ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana nasiam-panitsiana (LFR) ho amin’ny taona 2024 ity azo ity. « Misy fepetra takina ny fahazoana ny fanohanana, tafiditra ao anatin’izay ny fanolorana drafi-panarenana ny Jirama », hoy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Na izany aza, natao hamatsiam-bola sy hampiroboroboana ny toekarena eto Madagasikara ny fanampiana voaray, araka ny fifanarahan’ireo tomponandraiki-panjakana sy ny Bad. Tafiditra ao anatin’ izany ny sehatry ny angovo, ny miralenta ary ny tontolo iainana.
Fanohanana
Voalaza ao anatin’ny LFR 2024 fa mbola hisitraka tohana ara-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena ihany koa i Madagasikara. Noho izany, manantena ny fankatoavan’ny filankevi-pitantanan’ny Bretton Woods ny hahazoantsika fanampiana mitentina 100 tapitrisa dolara hanohanana ny politikam-pampandrosoana an’i Madagasikara. Kendrena ao anatin’izay ny fitantanana mangarahara, ny « stabilité macro-budgétaire », ny fifaninanana eo amin’ny tsenambaro-panjakana, ny fitantanana eo amin’ny sehatry ny angovo, ny fifandraisam-davitra ary ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany.
Henintsoa Hani